- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversNanakorontana sady nanambana basy : Adzidà zandary iray nidoboka eny Antanimora

Nanakorontana sady nanambana basy : Adzidà zandary iray nidoboka eny Antanimora

Zandary mitondra ny girady Adzidà iray no nampidirina eny amin’ny fonjan’Antanimora rehefa natolotra ny ny Fitsarana tetsy Anosy ny 18 jona lasa teo. Antony hanejenehana ity zandary ity ny fanakorantanana sy fampihorohoroana tamin’ny ambana basy nataony tamin’ireo namany tany am-pamitana iraka nanao tantsoroka eo amin’ny sakana ara-pahasalamana ao Ambatolaona, distrikan’i Manjakandriana. Tamin’ny 01 jona farany teo no niseho izany. Voalaza fa nentin’ny hamamoana ity zandary ity tamin’io fotoana io ka sady nakorontaniny no norahonany hotifirina  tamin’ny basy teny an-tanany ieo mpiara-miasa aminy. .Nandray andraikitra avy hatrany ireo lehibe mpifehy azy ka nanokatra fanadihadiana ary nitondra ny raharaha teny anivon’ny Fitsarana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici