- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina – Coronavirus : Mpianatra ho mpitsabo tratra nisoloky ireo olona mitondra...

Toamasina – Coronavirus : Mpianatra ho mpitsabo tratra nisoloky ireo olona mitondra tsimokaretina

Sady efa marary no mbola voasoloky ihany koa ireo olona mitondra ny tsimokaretina SARS-Cov-2 eto Toamasina. Nahatratra mpianatra ho mpitsabo nisoloky olona ny teo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava eto Toamasina. Raha ny angom-baovao natao dia akan’ity ranamana ity vola hatrany amin’ny 1.200.000 ariary ireo tiany hasiana amin’izany, indrindra ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretin’ny Covid-19. Ireo tsy te-ho any amin’ny toby fametrahana olona fantatra fa mitondra ny tsimokaretina eto Toamasina anankitelo no lasibatra amin’izany fakana vola izany. Voalazan’ny vaovao hatrany fa miara-miasa amin’izany kolonely iray avy ao Antananarivo sy ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana, ary izany mpitsabo iray eto Toamasina izany ny tenany ao anatin’izao hetsika ataony izao. Eo am-panadihadiana ireo olona ireo ny polisy misahana ny heloka be vava Toamasina amin’izao mba hamantarana ny fifandraisany amin’ny zava-misy, saingy tsy mbola voamarina ny amin’izany fifandraisana izany hatreto. Ny mampanahy ny polisy misahana ny raharaha izao dia ny fanelanelanana ataon’olona maro momba ity raharaha ity, amin’ny fangatahana ny famotsorana ity mpianatra ho mpitsabo mpisoloky olona amin’ny valanaretina coronavirus voasambotra ity. Ho hita eo ihany moa ny fandehan-javatra, fa raha ny nambaran’ny polisy misahana ny raharaha dia sarotra ny afera na azo lazaina fa vao mamomboka aza izany ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici