Maty tao amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno nitsaboana azy Atoa Randrianasolo José Clément, ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina ambanivohitra Vohitrambato, Distrikan’i Brickaville. Nisahana ny « assistant parlementaire » solombavambahoakan’i Brickaville ny tenany talohan’izao nahafaty azy izao. Tamin’ny 10 ora alina, ny sabotsy teo, no nahafaty azy tao amin’ny CHU Morafeno, ary tsy favoaka tao amin’ny hopitaly raha tsy amin’ny 01ora sy 15min ny alahady. Teto Toamasina ihany no nalevinany ny fatin’ity « assistant parlementaire » ao Bricikaville ity fa tsy azo nentina an-tanindrazany Brickaville intsony, satria tratran’ny valanaretina Coronavirus izy tamin’izao nahafaty azy izao. Raha ny fanampim-baovao dia manana aretina mitaiza ny tenany tahaka ny tosi-drà sy ny diabeta, ary efa narary nandritra ny iray volana izy talohan’ny nidirany CHU Analakininina hopitaly be, saingy ny fidirany tao no nahitana fa mitondra ny Covid-19 ny tenany ka voatery nafindra teo anivon’ny CHU Morafeno, ka izao nitarika ny nahafaty azy izao. Mametra-panontaniana ny mponin’i Brickaville fa « rehefa razan’iza no azo entina mamonjy tanindrazana, rehefa razan’iza no tsy azo atao izany… », satria mampanontany tena ny rehetra ny fahatongavan’ny razan’ny sasany an-tanindrazana. Isan’ny tena olana ho an’ny Malagasy mantsy izany havany tsy afaka milevina an-tanindrazana izany na hita fa marary izao aza, satria mahatsiaro ho very faty ny Malagasy tsy tonga am-pasan-drazana izany, hoy ireo nalahelo tamin’Atoa José Clément Randrianasolo, nalevina lavitry ny fasan-drazany aty Toamasina fasam-bahiny Anjoma.
Malala Didier