- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBar eto Tanà : Nosintomina ny "licence" ho an'izay mbola nisokatra

Bar eto Tanà : Nosintomina ny « licence » ho an’izay mbola nisokatra

Tsy nisy intsony ny fampandrenesana satria noraisina ho efa fampahafantarana ofisialy ny kabarin’ny Praiminisitra ny alin’ny alahady teo. Omaly ary dia efa nanomboka nisy ny toeram-pisotroana zava-pisotro misy alikaola nohidin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany. Tsy vitan’izany aza fa mbola nosintomina koa ny taratasy fahazoan-dàlana mivarotra toaka. Nisy ny faly satria nihatra avy hatrany ny lalàna. Nazava rahateo ny filazàn’ny lehiben’ny governemanta fa arahi-maso akaiky ary andraisana fepetra manokana ny bar sy ny toeram-panaovana lanonana. Na izany aza anefa dia misy ihany ny tsy nankasitraka satria ny fandraisan’izy ireo azy dia ny toaka izany no raràna ny famarotana azy. Tsy izay anefa ny tena antony fa kosa noho ny bar izay mety ivorian’ny olona maro ka mety hiparitahan’ny Covid-19.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici