Isan’ny boriborintany anjakan’ny olon-dratsy Anajanahary sy ny manodidina. Porofon’izany, raha nanao fisafoana tsotra ny polisy avy etsy amin’ny kamosarian’Antaninandro dia nahatsikaritra lehilahy niafina na nitsoaka avy hatrany. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina, ary mbola ao anatin’ny haizin’ny ririnina no nifanena tampoka ny roa tonta. Niafina tao ambadiky ny fiara mipetraka amin’ny sisin-dàlana ilay olona ary vao mainka izany nanintona ny sain’ireo mpitandro ny filaminana. Natao ny fisamborana ary rehefa nandeha ny fisavàna azy dia nahitàna fanalahidy marovava (clé passe-partout) izay fampiasa amin’ny famahana fiara na moto. Teo dia efa nitombina ny ahiahian’ny polisy. Rehefa nandeha rahateo ny fanadihadiana dia voamarina fa mpangalatra moto no tena manavanana ity jiolahy ity. Natolotra ny fampanoavana omaly ary nidoboka am-ponja.
D.R