Vonoan’olona feno habibiana no nisy tany amin’ny kaominina ambonivohitr’i Tôlagnaro (Agnivorano) ny sabotsy teo. Zazakely sahabo ho eo amin’ny fito volana teo, sy ny reniny izay mbola tanora, no nisy nanapaka ny tendany, tapaka ara-bakiteny. Tsy vitan’ny notapahina ny tendany fa mbola notsatohana antsy indray ny lamosin’ilay ramatoa. Marihina fa telo mianaka izy ireto no nandeha tany amin’ny toerana fangalana hazo, na golety, hatao fefy. Ny fahatelo, araka ny namabaran’ireo olona manodidina, dia ny vadin’ilay ramatoa. Nanantena ny hiverenan’izy telo mianaka ny havany, kinajo tsy niverina . Nanara-dia azy telo mianaka ireo avy hatrany ny olona. Akory anefa fa vao tonga tamin’ny toerana nakana golety ireo mpanara-dia dia fatin’olon-droa mpianaka (ny reniny sy ilay zazakely) no nivalandotra tao anaty ala ,misarona ravin-kazo. Ilay raim-pianakaviana kosa tsy mbola hita ny najavonany hatramin’izao fotoana andefasana ny vaovao izao. Avy hatrany dia nampilaza ny fianankaviana akaiky ny havana nahita ny razana. Tonga tamin’ilay toerana nitrangan’ny voina ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera nijery ny tena antony nahafaty azy mianaka ireto. Tsy mbola fantatra hoe iza no nahavanona ity habibiana ity. Marihina fa raha efa niatoato kely ity fanapaham-bozona olona ao Tôlagnaro ity, miverina indray izany amin’izao fotoana izao. Etsy ankilany mandravarava manao ny ataony amin’ireo kaominina manodidina, sy ao an-drenivohitry ny langoustes, mijery sy mikaroka ireo olon-dratsy ireo mpanao “coup d’arrêt” kanefa mbola mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana.
Rom Farady