- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Zazavavy nihetsika ambalavelona nifampitazomana

Maevatanàna : Zazavavy nihetsika ambalavelona nifampitazomana

Raha ny asan-dahalo sy vaky trano no tena nampalaza ny disitrikan’i Maevatanàna tato ho ato, dia nitrangàna trangam-piarahamonina mampalahelo indray, tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna volalohany. Zazavavy vao 15 taona eo no tratran’ny  » ambalavelona. » Raha ny vaovao voaray, dia ny alin’ny talata teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina no nitrangan’ity aretina hafahafa ity. Iny efa samy hamonjy fatoriana iny, no kiakiaka toreho sy taraina mafy no nanaitra ny rehetra tao an-trano sy ny manodidina. Nifampitazoman’ny lehilahy matanjaka izy, nefa nitady làlana hatrany hitsoaka, ka olona maromaro vao nahatazona azy, ary nobataina hiditra tany anaty trano. Taorian’izay, dia natao daholo izay rehetra azo natao, fa tsy mety nijanona ilay aretina, raha tsy efa madiva ho maraina ny andro, vao nitamberina ilay zazavavy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici