Teo am-pivarotana ilay moto halatra mitondra ny marika X-May (150cc) no voasambotra izy roa lahy. Mbola tsy ampy taona ny iray tamin’ireo. « Nahazo loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Sakaraha mikasika ny fisian’olona mikasa hivarotra moto halatra. Nandeha ny fanaraha-maso sy ny asa fitsikilovana ary tratra ambodiomby ireo tompon’andraikitra, 17 taona sy 27 taona, raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Nivoaka nandritra ny fanadihadiana fa teratany vahiny mipetraka ao Mangily-Toliara no tompon’ny kodiaran-droa nangalarina. Nilaza ihany koa izy ireo fa mbola misy olona telo hafa niray tsikombakomba tamin’ny fanatanterahana ny asaratsy. Karohina izy ireo ankehitrin. Nidoboka am-ponja kosa ireo roa lahy izay efa voasambotra rehefa natolotra ny fampanoavana omaly. Mitety faritra ary tonga lavitra ny mpangalatra moto raha jerena amin’ity tranga ity.
D.R