- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversJirama Toamasina : Miditra “delestage” mihodina, tsy misy afa-tsy 17.500MW omena ny...

Jirama Toamasina : Miditra “delestage” mihodina, tsy misy afa-tsy 17.500MW omena ny mpanjifa

Nanomboka taorian’ny 26 jona teo, dia niditra tao anatin’ny delestazy ny teto Toamasina noho ny tsy fahampian’ny herinaratra omen’ny Jirama ny mpanjifany, hoy ny talen’ny seraseran’ny Jirama Atoa Chadly Wander Assany. Raha ny fanazavana, dia tsy manana afa-tsy 17,500MW ny jirama izao vokatr’ireo fahasimban’ny fitaovana ireo, nefa raha vita ilay milina roa eo anivon’ny Enelec izay hanome 2,900MW dia hanana 20,400MW i Toamasina ato ho ato mandra-piandry ny tena filany isan’andro. Ny nahazoana ilay 17,500MW araka ny fanazavana, dia ny fahavitan’ireo masinina mpamokatra herinaratra iray simba teo anivon’ny Jirama, izay namboaran’ny teknisian’ny Jirama ary velona omaly maraina. Raha ny filana eto Toamasina hoy ny talen’ny famokarana dia mahatratra 25,600MW hatramin’ny 27,000MW, ka mbola lavitra ny elanelana amin’ny vokatra ny sy omena ny mpanjifa. Midika izany fa mbola handalo fahatapahana ny mpanjifan’ny Jirama Toamasina, omaly alina, androany tontolo ny andro saingy tsy hitovy tamin’ny teo aloha intsony, fa tsy maintsy atao mihodina izany fahatapahana izany. Raha ny marina hoy ny talen’ny famokaran’ny Jirama, Atoa Lazavarison Michel Georges, dia tsy maintsy manome ny Jirama 21MW ny Elenec amin’ny vokatra vokarany, saingy hatreto dia tsy mety tratran’ny Enelec izany vokatra nifanarahany tamin’ny Jirama izany. Eo am-pandinihana ny mikasika izany ny Jirama izao araka ny fantatra. Ankilan’izany dia mihodina tsara sy tsy misy olana ary manome herinaratra 5,700MW ny ao Volobe amin’izao, ny halatra tarobian-jiro no olana raha misy. Io herinaratra vokarin’i Volobe io efa manampy ny vokatry ny Jirama ary manome ilay 17,500MW ny vokatra amin’izany. Vokatr’ireo rehetra ireo izany, dia miditra delestazy mihodina i Toamasina arakaraka ny fandaminan’ny Jirama amin’ny fampiarana izany, ka manomboka amin’ny 05ora sy 30min izany hatramin’ny 09ora alina mandra-pivahan’ny olana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici