
Mavesabesatra ihany ny hanenjehana ireto olona enina voasambotry ny zandary tany amin’iny distrika Sambava iny, ny sabotsy lasa teo. Ambonin’ny fanamboarana basy vita gasy mantsy dia fantatra ihany koa fa mbola mpanamparitaka vola sandoka, tany amin’iny faritra Sava iny izy ireo. Vola sandoka mitentina eo amin’ny telo tapitrisa ariary mahery teo aza ny sarona teny am-pelan-tanan’izy ireo, niaraka tamin’ireo basy poleta vita gasy am-polony maromaro.
Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena, dia efa ela ihany no nikarohana ireto olon-dratsy ireto, saingy izao vao tratra. Efa ela tokoa mantsy no tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana ny fisiana tambazotrana jiolahy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy any amin’iny faritra Sava iny. Ny sabotsy faha-04-n’ny volana jolay lasa teo, dia nisy ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Sambava, fa ao an-tampon-tanana, ao amin’ny fokontany Ambatofitaratra sy Besopaka Ambany ary Analapenja ny misy ireo andian-jiolahy. Tsy nisy andraso andraso intsony, fa avy hatrany dia nidinana tany amin’ireo toerana ireo, ireo mpitandro filaminana. Olona enina no nosamborina tao anatin’izany ary misy amin’izy ireo no vehivavy. Tamin’ny fisavana ny tranon’izy ireo tsirairay avy ihany koa dia mbola hita tao ny porofo nivaingana rehetra ny amin’ny maha-olon-dratsy azy ireo, hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary hatrany. Tao ireo lelavola roa alina ariary sandoka, izay miisa 157 ary mitotaly eo amin’ny 3 140 000 ariary eo. Nisy ihany koa ny fahitana karazana fitaovana sy akora fanamboarana basy ary basy poleta vita gasy efa vonon-ko hampiasaina miisa sivy, lasitra roa ary bala roa. Mbola hita tamin’ireo trano ireo ihany koa ny karazana antontan-taratasy maro ara-panjakana hosoka sy sandoka. Nentina nofotorana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary moa ireto andian’olon-dratsy ireto. Ary fantatra araka ny fanazavana azo hatrany fa mbola mitohy ny fanadihadiana « ahitana ny kasingam-porofo rehetra sy izay efa niparitahan’ireo vokatra ratsy nataon’izy ireo hatrizay ».
m.L