- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fandriampahalemana eo Amboditsiry : Voasambotry ny polisy ireo 8 lahy nampihorohoro

Tsy fandriampahalemana eo Amboditsiry : Voasambotry ny polisy ireo 8 lahy nampihorohoro

Araka ny fanazavana avy amin’ny Polisin’ny boroborintany faha-8 eny Analamahitsy dia mpianatra iray hamonjy fodiana notafihan’ny mpanendaka  03 teny Amboditsiry no nitarika tamin’izao vokatra izao. Lasa tamin’izany ny finday niaraka tamin’ny valizy izay nisy antontan-taratasy maro mahakasika ny fianarany sy vatsy izay nomen’ny Ray aman-dreniny azy.

Tsy nisalasala ity mpianatra ity nanatona ny kaomisarian’ ny boriborintany fahavalo ka nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy nanokatra fanadihadiana. 2 andro taorian’ny fanendahana dia voajonon’ny Polisy teny Bemasoandro Itaosy ny lehilahy  05  fantatra, fa mpandray ireo entana halatra . Ny ampitson’io indray dia tra-tehaka ihany koa ireo lehilahy  02 antsoina hoe Tex sy Mahagaga; izay nanao ny asa fanendahana raha tafaporitsaka kosa ny jiolahy 01 niaraka tamin’izy ireo. Tsy afaka nankaiza ity jiolahy 01 ity, fa dia tratran’ny Polisy ihany koa iray andro taorian’ny nahazoana an’i Tex sy Mahagaga. I Mahagaga moa dia efa fantatra tamin’ny raharaha fanafihana sinoa teny Amboditsiry, roa taona lasa izay. Efa tafaverina tamin’ny tompony avokoa moa ireo entana lasan’ireto mpanendaka ireto. Manoloana ny firongatry ny asa fanendahana eny amin’iny faritra iny, dia manentana ny olom-pirenena hatrany ny Polisy mba hiantso ny laharana 0340599842 na 0340551714 raha mahita na mandre trangana tsy fandriampahalemana miseho eny anivon’ny fiarahamonina eny.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici