- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Fisolokiana sy fisandohana ho ben'ny tanàna, olona 3 voasambotra

Maevatanana : Fisolokiana sy fisandohana ho ben’ny tanàna, olona 3 voasambotra

Efa ho herinandro aty aorina, ity raharaha Fisolokiana « kolonely » sy fisandohana ho ben’ny tananan’i Maevatanana voalohany ity, vao nahitana mangirana. Noho izany, dia tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo Zandary aty an-toerana raha tsy voasmbotra ireo olona roa isan’ireo tompon’antoka tamin’ny raharaha, izay volaza etsy ambony, tazonona atao andrimaso ao amin’ny fonjakelin’i Zandary moa izy ireo. Vehivavy ny iray; izay voalaza fa mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana any Mahazoma, ary nisy lehilahy. Raha ny vaovao voaranay avy tamin’ny Zandary ao GAPJ na( Groupe D’Appuis à la Police Judiciaire,) hatrany fa teny am-pandosirana hihazo an’i « Port-Bergée » i Kakajô nanatanteraka ny Fisolokiana sy fisandohana no tratra tany Ambondromamy. Io Tovolahy voalaza anarana etsy aloha io indray, avy eo, no nanondro ny vehivavy iray mpampianatra, nolazainy, fa nanome laharam-pinday nentina nisolokiana nampiasaina. Ilay lehilahy voalaza etsy ambony kosa, dia mpiara-miasa aminy akaiky no mody adala manontany vaovao amin’olona hafa. Mpiray tsikombakomba sy anisan’ireo nandray anjara mivantana nandritry ny fanatanterahana ny asa ratsy izy roa ireo. Fanampim-baovao hatrany no nahalalana, fa anio Alatsinainy 06 Jolay izy telo mianadahy ireto no hatolotra ny fampanoavana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici