- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Andian-jiolahy mpamaky trano voasambotry ny FIP

Toamasina : Andian-jiolahy mpamaky trano voasambotry ny FIP

Lehilahy  dimy mpamaky trano isank’alina eny amin’ny faritra Verrerie sy Tsarahonenana no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Hery vonjy taitran’ ny Polisim-pirenena ao Toamasina na FIP, omaly 05 jolay 2020. Izany no tanteraka, dia noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona ao an-toerana. Omaly tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, tonga tao amin’ny Toby misy ny FIP ao Verrerie ny andrimasom-pokonolona nitondra lehilahy iray tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny. Araka ny voalazan’ireo andrimasom-pokonolona ireo anefa, dia maromaro ireo jiolahy nanatanteraka izao asa ratsy izao, fa ity lehilahy iray ity ihany no voasambotra. Teo anatrehan’izany, dia nanao fanadihadiana ny Polisy nikarohana ireo jiolahy sasany tafaporitsaka. Nandritra ny fikarohana nataon’ny Polisy, dia fanatatra ny toerana ipetrahan’ireo jiolahy hafa ka noraisim-potsiny tao an-tranony ireo jiolahy  efatra hafa. Mbola hita tao amin’ity trano ity avokoa ireo fitaovana fampiasan’izy ireo, amin’ny asa ratsiny toy ny antsy lava lela, barre-mine, coupe-coupe, saron-tava, lampe de poche ary famaky. Hitan’ny Polisy tao amin’ity trano ity ihany koa ireo entana izay nampiahiahy toy ny ecran plat, imprimante, amplificateur ary lecteur CD. Hatolotra ny fitsarana anio 06 jolay 2020 ny raharaha.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici