- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Nihovitrovitra indray ny tany, natahotra ny mponina

Andilamena : Nihovitrovitra indray ny tany, natahotra ny mponina

Nitrangana horohorontany ny tanànan’Andilamena sy ny manodidina, ny marainan’ny talata 15jolay 2014, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tany ho any .Taitra ny natory, nitabataba ny alika tany alatrano, natahotra ny ankamaroan’ireo olona tena naheno.Efa indroa tato anatin’ny volana iray no nambaran’ny mponina fa nitrangan’izany horohorontany izany, izay toa mahalasa saina ny maro ihany.Raha nahoraka ny horohorontany tany Didy Ambatondrazaka ny foibeny ny tamin’ny taona 2012 izay nivoahan’ireo vato sarobidy,dia miandry izay vokatr’izany ireo mpikirakira ity vato ity aty Alaotra Andilamena izay misy toerana fitrandrahana vato toy ny safira,ribus, volamena amin’izao fotoana izao ary mbola ahitana mpitrandraka maro.Samy miandry izany ny rehetra hoe hisy vato sarobidy hivoaka indray ve sa trangan-javatra fotsiny ireny?

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser