- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFanondranana olona mankany Mayotte : Kaomandina sambokely iray voasambotra, karohina ireo namany

Fanondranana olona mankany Mayotte : Kaomandina sambokely iray voasambotra, karohina ireo namany

Malagasy miisa eo amin’ny 32 eo saika handeha hiondrana an-tsokosoko tatsy Mayotte no saron’ireo mpiandry sisin-tany tany an-toerana teny am-povoan-dranomasina rehefa nisy olana ny sambokely nitondra azy ireo. Naverina avy hatrany taty Madagasikara ireto olona ireto, nosamborina ary atao fanadihadiana kosa ny kaomandin’izany sambokely izany, araka ny vaovao azo avy amin’ny polisim-pirenena.

Ny faran’ny volana jona lasa teo no tra-tehaka ireto mpiondrana an-tsokosoko ireto, raha ny loharanom-baovao. Notanana natao fanadihadiana tany an-toerana kosa ilay kapitenin-tsambo ary naverina natolotra ny polisim-pirenena malagasy ny sabotsy lasa teo. “Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy dia tambajotra iray efa mpanondrana olona mankany amin’ny nosy Mayotte ity sarona ity. Fantatra fa mpivady monina ao Ambanja no tompon’ilay sambokely. Ireto farany no manangona sy mampiantrano ireo olona hiondrana ho any Mayotte” . Voalaza fa ny alarobia mialoha ny fetim-pirenena teo no nialàn’ireto olona ireto teto an-tanindrazana rehefa avy nangonina tao Ambanja. Efa nangalan’ireo mpampiantrano azy vola mitentina telo tapitrisa ariary tsirairay avy moa izy ireo, araka ny fampitam-baovao hatrany.  Naato kely tao amin’ny Nosy Antanibe Andrefana ireto olona ireto avy eo, ary nafenina tao anaty ala, nandritra ny efatra andro, ka ny alahady vao niainga ho any amin’ny Nosy Mayotte.  Teny an-dalana anefa no nisedra olana izany sambokely izany ka tsy afa-nandroso intsony, hoy ny vaovao. Telo andro taty aoriana vao hitan’ireo mpitandro filaminana misahana ny sisin-tanin’ity Nosy rahavavy ity ireto olona ireto. Nentina namonjy sisin-tany avy hatrany izy ireo ary nosamborina teo ilay lehilahy kapitenin-tsambo. Voalaza kosa fa roa lahy izy ireo no tompon’andraikitra teny saingy efa nitsoaka tamin’ny alalan’ny lomano ilay namany. Marihana fa tsy nahitàna taratasy fahazoan-dalana mivoaka moa na dia iray aza tany amin’ireo olona ireto. “Naverina teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fiaramanidina avokoa ireo olona miisa 33 ireo ny sabotsy faha 04 jolay 2020. Efa miatrika famotorana eo anivon’ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny fanondranana olona an-tsokosoko (SCES) ilay komandan’ny sambo ankehitriny”, hoy hatrany ny vaovao. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana sy fikarohana ireo  izay mety ho naman’ity kaomandàn’ny sambo ity mpiray tsikombakomba taminy tamin’izao fanondràna olona izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici