Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny Zandary ireo olona efatra sy ny sefo Zap miasa any Mahazomà, mikasika ny raharaha nahavoarohirohy sy nitazomana azy ireo teny amin’ny borigadin’ny Zandary eto Maevatanàna nandritra ny herinandro dia niakatra fampanoavana tamin’ny alatsinainy 06 jolay maraina lasa teo ny raharaha. Vita ny famotorana nataon’ny prokirera ka ny fanapahan-kevitra taorian’izay no nampidirana am-ponja vonjimaika eny Ambimadiro ny Sefo Zap niaraka amin’ireo olona efatra ambiny miandry ny fotoam-pitsarana. Araka ny fantatra dia resaka firaisana tsikombakomba sy fisolokiana kolonely izay miasa any Antananarivo sy fisandohana ho ben’ny tanànan’i Maevatanàna voalohany no nahavoarohirohy ity olon-boatendry ity ,nahavoasaringotra azy. Fantatra fa ilay kolonely no nitory rehefa tratra ilay tovolahy antsoina hoe « Kakajo » izay tompon’antoka tamin’ny antso an-telefaoninana nanaovany fisolokiana sy fisandohana. Tsiahivina fa ny 30 jona teo no nosamborina ny Sefo Zap, raha voantson’ilay tovolahy voalaza anarana etsy aloha tamin’iny telefaoinina ny tenany haka vola any amin’ny « Boutique » an’ny vadin’ny kolonely. Amin’ny 20 jolay ity kosa ny fotoam-pitsarana azy dimy mianadahy ireo.
Ratantely