Nanao hetsika ny zandary tao Fenerivo atsinanana ka nahitam-bokatra izany hetsika izany, izay nahavelom-panantenana ny vahoaka. Maro ireo vokatra lavanilina halatra tratra, teo koa ireo basy tsy ara-dalana sarona. Nambaran’ny Kly Andriamambasoa Rindraniaina, komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Analanjirofo, fa matotra ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Izay no nahatrarana ilay mpanafika tao Mahavelokely Fenerivo atsinanana ny alahady 05 jolay teo, mbola tratra teny amin’ity jiolahy ny basy PA vita gasy fampiasany, izay lehilahy 48 taona raha ny angom-baovao natao. Voalaza fa mbola misy namana iray hafa izy ity tamin’ny fanafihana nataony ka eo am-pikarohana azy ny zandary ao Fenerivo atsinanana amin’izao. Raha ny fanazavana azo dia tranombarotra iray no notafihan’ireto mpanafika tamin’izay, ka olona iray no voatifitra nandritra ity fanafihana tao Mahavelokely Fenerivo atsinanana ny 05 jolay teo ity. Ankilan’izany dia ny 15 jolay ho avy ireo no hisokatra ny taom-piotazana lavanilina ao Analanjirofo, ka nilazan’ny Kly Andriamambasoa Rindraniaina, fa tsy handefitra amin’ireo izay mihoa-pefy ny tenany Nanaovany antso avo amin’ireo mpanao lavanilina koa ny haka mpitandro ny filaminana isaky ny hikirakira vola izy ireo hisorohana ny halatra sy ny fanafihana samihafa. Ankoatra izany dia fiara nitondra mpandeha an-tsokosoko nahitana olona 08 nafenina tao ambadiky ny garaban-trondro, no saron’ny zandarin’i Fenerivo atsinanana. Voalaza fa avy aty Toamasina ireto mpandeha ireto izao tratra izao, ka avy hatrany dia voasazy ny mpamily sy ny mpamily mpanampy, ireo mpandeha kosa naverina aty Toamasina, ary ny fiara tonga dia nogiazana avy hatrany.
Malala Didier