- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMarosakoana-Tsaratanàna : Manjaka indray i Del kely, omby miisa dimapolo no lasany

Marosakoana-Tsaratanàna : Manjaka indray i Del kely, omby miisa dimapolo no lasany

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tany amin’ny tanàna antsoina heo Marosakoana, fokontan’Antanambao, kaominina Keliloha, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Mirongatra ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao, any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna iny, am-polony ny omby lasan’ny dahalo isaky ny misy fanafihana any an-toerana. Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’izao fotoana dia tsapa ho sahirana ireo miaramila mpampandry tany sy ny Zandary any amin’ity disitraika ity, noho ny fananan’ireo malaso olona ambadika. Anisan’ny tena olana ihany koa ny faharatsian’ny lalana any an-toerana, ka manajaka tokana ihany koa ry Del kely sy ny ekipany amin’ity resaka asan-dahalo sy fakana an-keriny ity. Ny alarobia alina teo izao, dia omby miisa dimapolo no lasan’i Dela kely sy ny namany tao amin’ilay tanàna antsoina hoe, Marosakoana, izay voalaza etsy ambony. Araka ny vaovao voaranay tamin’ny maman’i Naina izay tompon’omby very dia nirefodrefotra ny basin’izy ireo nandritra ny fanafihana, ary tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny olona teo an-tanàna, ka izay indrindra no nananaraotan’ireo dahalo naka ny ombiny tao am-bala. Marihana moa fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy nandritra ny fanafihana niseho tao Marosakoana. Mitohy hatrany ny fanenjehana ataon’ny Zandary miaraka amin’ny fokonolona.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici