Namoy ny ainy ny zazalahikely iray. Namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ilay tanàna antsoina hoe » Ampanaovana Krisimasy, » ny talata 07 jolay 2020 lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina mahery 50minitra teo. Zazalahikely vao dimy taona monja no voahitsaka ny mazda miloko fotsy teo amin’ny arabe tamin’io fotoana io. Voadona ny lohany, ary nandriaka eran’ny arabe ny rà nandritra ny loza. Araka ny fanazavana dia avy eto Maevatanàna manao zotra rezionaly aty an-toerana ity fiara ity, ka hihazo an’ Ambondromamy tamin’io fotoana io. Nalalaka ny arabe ary iny nizotra teny an-dalana iny ilay fiara no voalaza fa nisy ankizy nanapa-dalana tampoka. Voadoana mafy ny lohan’ilay Zazalahikely. Araka ny fanampim-panazavana dia nandeha mafy loatra ny fiara Mazda. Taorian’izay dia tonga teny an-toerana nanao ny fitsirihana sy fizahana ifotony ny mpitandro ny filaminana. Efa natao andrimaso eny anivon’ny Zandary ny mpamily nitondra ilay Mazda hatao famotorana.
Ratantely