- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana : Mpitondra moto maty voahitsaky ny fiaraben’ny Jirama

Soanierana : Mpitondra moto maty voahitsaky ny fiaraben’ny Jirama

“Carrosserie” vatana ny mpitondra moto hoy ny rehetra, ka aleo foana mitandrina.

Fandehanana mafy nampiana fijanonana tampoka no nampisosa ny kodiaran’ity kodiaran-droa iray, tetsy Ankadimbahoaka. Tsy nifarana ny diany raha tsy tany ambany kodiarana kamiao. Maty tsy tra-drano ilay nitondra azy.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray iny lalana vao avy namboarina tetsy Soanierana iny hihazo an’Ankadimbahoaka iny, omaly maraina. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any, mpitondra moto, lehilahy tokony ho 36 taona tany ho any, no namoy ny ainy, rehefa nidona tamina fiarabe iray an’ny orinasa Jirama teny an-toerana. Araka ny fanazavàna avy eo anivon’ny polisim-pirenena dia samy hihazo an’Ankadimbahoaka na ity moto scooter Jog ity na ilay kamiaoben’ny Jirama. Tsy fantatra anefa izay nahazo tampoka an’ilay kodiaran-droa fa voamarik’ireo mpanao fanadihadina teny an-toerana dia dian-javatra nikorisa nihazo ny kodiaran’ity fiarabe ity. Heverina araka izany fa mety ho saika nisongona ity fiara teo alohany angamba ilay moto kanjo tsy afaka tampoka ary nipotsitra ny hisatra. Vokatry ny fandehana mafy sy ilay erikerika manify ny alina tontolo iny anefa dia nalama ny arabe. Hany ka tsy nijanona araka ny nilàna azy ilay moto fa vao mainka nisosa ary tsy voatana intsony ny familiana ka io niafara tany ambany kodiaran’ilay fiara io. Tao anatin’ny segondra vitsy monja no mety nitrangan’izany zavatra izany. Segondra vitsy, tsy nitandremana ary nitondra hatramin’izao famoizana aina izao. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia vokatry ny dona mafy nahazo dia tana intsony ny ainy, hoy ny filazan’ireo mpitandro filaminana misahana manokana ny lozam-pifamoivoizana tonga avy hatrany teny an-toerana. Taorian’ny fijerena ifotony sy fanadihadiana savaranonando ny zava-nisy teny an-toerana dia nalefa avy hatrany tany amin’ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy niharan-doza ity. Mila mailo tokoa amin’izao ny tsirairay eny an-dalana eny. Miha-malalaka mantsy ny arabe ary alaim-panahy handeha avokoa ny rehetra, na ny mpitondra moto io na ny mpamily fiara, eny fa na hatramin’ny mpitondra bisikleta aza dia mihevitra fa azy irery ny lalana ka miedinedina ery am-povoan’arabe ery.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici