- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana teny amoron-dranomasina : Olona iray maty tsy tra-drano, iray hafa tapa-tongotra roa

Lozam-pifamoivoizana teny amoron-dranomasina : Olona iray maty tsy tra-drano, iray hafa tapa-tongotra roa

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina reny amoron-dranomasina, 50m miala ny tetezan’ny hopitaly be aty amin’ny ilany avaratra izay hoe manakaiky ny “cercle mess militaire” teo aloha. Fiara tsy mataho-dalana nentina tera-tany karana mpandraharaha momba ny lamba tonta na “friperie”, mipetraka ao amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly be P/elle 12/21-22, no nahavanon-doza tamin’izao lozam-pifamoivoizana izao. Raha ny nambaran’ny nanatri-maso dia nandeha nirimorimo mafy ity fiara tsy mataho-dalana nentin’ilay tera-tany karana ity, tsy tanany ny familiana sy ny hisatra vokatr’izany ka nifatratra tany amin’ireo mpitondra posy sy ilay mpitondra moto ny tenany alohan’ny nivadihan’ilay fiara in-04 nefa tafarina ihany. Maty tsy tra-drano avy hatrany ilay mpitondra posy noraofin’ilay fiara, fa ilay mpitaingina moto kosa tapa-tongotra roa be izao. Raha ny nambaran’ity mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily nanatri-maso ny zava-nitranga ary nandray an-tanana mialoha ny zava-nisy, dia nahatrarana fonosana rongony tao anatin’ny fiara nentin’ity tera-tany karana ity. Efa eny am-palen-tanan’ny polisy mpanao fanadihadiana izany raha ny vaovao hatrany, fa ny olana dia voasokajy avy nandray zava-mahadomelina izany ity mpamily nahavanon-doza ity. Ankoatra izay, rah any tarehimarika voaray avy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nahitana fiakarany ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana tao anatin’izay fihobohana izay, nanamafy izay koa ny teo anivon’ny hopitaly be mpandray ireo mila vonjy ao aminy. Ny antony dia noho fahatsapan’ny mpandeha sy mpitaingina moto fa malalaka ny lalana dia maro ireo miromorimo mandeha mafy manararaotra izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici