Namoy rahalahy ny Tafika malagasy. Tra-doza teo am-panaovana iraka ny miaramila iray kilasy faharoa nanara-dia omby very tao amin’ny kaominina Ambalanjanakomby, distrikan’i Maevatanana, afak’omaly. Latsaka ny basy teny aminy ka nirefotra teo amin’ny tongony. Naratra mafy, noezahina nentina teny amin’ny hopitaly, ity miaramila ity. Indrisy, tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Miaramilan’ny « ZRPS » izy, manao hetsika fampandriana fahalemana any amin’ny faritra Maevatanana. Marihina fa na dia eo aza ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina “Coronavirus” dia tsy ataon’ny Tafika Malagasy ambanin-javatra ihany koa ny asa fampandrian-tany. Manao ny aina tsy ho zavatra ireo miaramila any amin’ny faritra mena mba ho fiarovana ny vahoaka. Mandiso ny resaka miely ity vondron-kery ity amin’ny filazana fa niakatra aty an-drenivohitra avokoa ny miaramila rehetra. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny tafika fa samy manana ny andraikiny avy ny miaramila. Ny « ZRPS » (Zone Rurale Prioritaire de Sécurité) dia efa mipetraka maharitra any amin’ny faritany. Ny eto an-drenivohitra kosa dia miaramila « 2éme Echelon », na ireo avy amin’ny « Bataillon Multi-missions » (BMM) avy any Imerintsiatosika. Ireo no mandray anjara amin’ny hetsika hamehana ara-pahasalamana.
Dingana. Raha tsiahivina dia nahetsika omaly ny andiany faharoa amin’ireto « BMM » ireto. Ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika malagasy, no nidina ifotony nijery sy nanome toromarika azy ireo,tetsy amin’ny toby miaramila « CAPSAT » Soanierana. Tonga nanolotra fanampiana hanohanana ny miaramila ny tenany. Tapitra hatreo, hoy izy, ny dingana voalohany nataon’ireto miaramila ny amin’ny fanentanana ny olona hihiboka. Ankehitriny dia miditra amin’ny fanoroana, na ny « Action civilo-Militaire », indray ny tafika, mikasika ny lafiny ara-pahasalamana.
Ariel D.