Natolotra ny fampanoavana misahana ny raharaha momba ny kolikoly ny alakamisy teo ary nidoboka am-ponja eny Antanimora ilay kaomisera. Amin’ny 7 septambra ny andro hitsarana azy etsy Anosy. Komisera iray izay niasa teo anivon’ny biraon’ny hery vonjy taitra iray any amin’ny faritra avaratry ny nosy no nosamborina noho ny fitorian’olon-tsotra. Teto an-drenivohitra no natao ny fanadihadiana azy, izay niafara tamin’ny fitazomana vonjimaika azy etsy Antanimora. « Heloka voafaritra ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana no nanenjehana azy. Ny polisim-pirenena dia tsy natao ho fialokalofan’ny olon-dratsy (…) ary tsy ekena ny fifampiarovana na kiantranoantrano eo anivony, satria manimba endrika azy eo imason’ny vahoaka izany », raha araka ny fizaram-baovaon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka momba ity raharaha ity. Mbola notohizany fa : « tsy anavahana andraikitra, tsy hijerena galona, fa rehefa vandana dia kary ary tsy maintsy mizaka ny sazy vokatry ny heloka nataony. Isan’izany ity komisera ity ». Isan’ny nampahafantarina ny fisian’ny laharana an-telefaonina 034 15 367 20 ho an’ny olon-tsotra izay mahita tranga fandikan-dalàna ataon’ny polisy na koa manatona ny sampan-draharaha mpanara-maso ny asan’ny polisy etsy Anosy (IGPN).
D.R