- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana teny amoron-dranomasina : Maty ilay karana mpamily ilay fiara nandona olona

Lozam-pifamoivoizana teny amoron-dranomasina : Maty ilay karana mpamily ilay fiara nandona olona

Raha hiverenana dia nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amoron-dranomasina mifanila amin’ny “cercle mess militaire” teo aloha. Nivadibadika in-04 ity fiara nandritra izay noho ny fandehanany mafy, raha ny angom-baovao. Naratra mafy ilay tera-tany karana monina ao Analakininina hopitaly be, ka nitarika ny tsy fahatsiarovan-tenany izany nampidirina teny amin’ny hopitaly be. Nodimandry ity tera-tany karana ity vokatr’ io ratra mafy nahazo azy io, ka lasa roa izany ireo nodimandry tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity, raha mbola miady aman’aina eo anivon’ny hopitaly aza ilay tapa-tongotra roa nitondra moto. Maro ny resa-be nandeha tamin’ity tranga na lozam-pifamoivoizana ity, ka nanambara ny vadin’ilay karana maty tamin’izany, fa tsy nisy izany rongony tratra izany tao anatin’ilay fiara, araka nolazain’ilay mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily tamin’ny mpanao gazety. Ankoatra izany, dia mirongatra be ny lozam-pifamoivoizana eto Toamasina amin’izao fihibohana izao, izay saika ireo moto scooter no miteraka loa ary mazana, araka ny angom-baovao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici