Tsy nisy na inona na inona nalain’ireo olon-dratsy izay tonga nanafika azy tao an-trano fonenany. Vao nisokatra ny varavarana rehefa nandondona toy ny olon-tsotra ireo olon-dratsy, avy hatrany dia tifi-basy no nanjo an’ilay olom-boafidy. Maty tsy tsa-drano ny ben’ny tanàna; izay voafidy tao amin’ny kaomina ambanivohitra Belitsaky, ao amin’ny distrikan’i Maintirano. Tsy alim-be akory, fa manodidina ny tamin’ny fito ora hariva no tonga nandodona ny mpanafika ary nitifitra avy hatrany. Vao vita izay, dia nitsoaka ary nanjavona tao anatin’ny haizin’ny ririnina ireo mpamono olona. Ilay tompon’andraikitra voalohan’ny tanàna kosa dia nitsidraka, nihoson-drà tamin’ny tany. Natao ihany ny ezaka fialana nenina ary notaterina teny amin’ny toeram-pitsaboana izy, kanefa teny an-dàlana dia efa tsy nisy aina intsony. Nikoropaka ny olona teo amin’ny manodidina raha naheno ny feom-basy. Ny sasany niezaka nanaraka ny olon-dratsy ary ny hafa nanampy tamin’ny fitaterana ny naratra. Hatreto, raha ny fahitana ny raharaha, dia ny ain’ny ben’ny tanàna mihitsy no nokendrena nesorina tamin’ity heloka bevava ity. Araka ny voalaza etsy ambony, dia tsy nisy entana nalain’ireo, fa ny nitifitra nahafaty ihany no tena nataony. Nanokatra ny fanadihadiana ny zandary ao an-toerana.
D.R