Raikitra ny fifampitifirana omaly antoandro. Andaniny, ny polisy izay andeha hanao fisamborana ny jiolahy efatra izay teo am-pikasàna ny nanao fanafihana mitam-piadiana. Raha ny fantatra dia « cashpoint » iray teo an-toerana no saika nataon’ireo lasibatra. Azon’ny polisy mialoha anefa ny mahakasika izany rehefa nisy iray voasambotra tamin’ny ekipan’ireo jiolahy ny asabotsy lasa teo. Io no nanondro ny misy ny jiolahy sy ny teti-dratsin’ireo. Tonga mialoha teo amin’ny toerana izay voatondro fa hotafihana ny polisy avy ao amin’ny hery vonjy taitra (USI). Vao nahita izany ireo jiolahy dia nitsoaka tamin’ny moto no sady nitifitra. Nifamaly teo ny fampiasàna basy ary ny vokany dia lavo ny efa-dahy. Ny iray kosa tafatsoaka ary mbola nitohy hatramin’ny omaly ny fanarahan-dia azy. Raha ny fanamarihan’ny polisy dia efa mpiray petsapetsa amin’ny fanafihana « cashpoint » nisesisesy ireo jiolahy ireo. Ny tranga toa izao dia manaporofo fa tsy mahasakana ny jiolahy ny fihibohana izay misy ankehitriny. Tsy mitsahatry ny mikononkonona ny asaratsy ireo ary indraindray aza dia vao mainka manamora ny asany ny fisian’ny fahanginana be. Diso hevitra ireo tamin’ity indray mitoraka ity…
D.R