- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbovombe : Ben’ny tanàna teo aloha sy ny vadiny, notifirina noho ny resaka...

Ambovombe : Ben’ny tanàna teo aloha sy ny vadiny, notifirina noho ny resaka politika

Samy naratra izy mivady ireto niaraka tamin’ny olona roa hafa, rehefa nisy olon-dratsy nitifitra tany tamin’iny distrika Ambovombe. Soa ihany anefa fa nalaky voavonjy haingana ka tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Voalaza fa disadisam-piarahamonina sy resaka politika no antony nahatonga izao fahavoazan’izy ireo izao. Ny alin’ny alahady teo no nisy fanafihan-jiolahy mahery vaika tao amin’ny kaominina Erada, distrikan’Ambovombe. Lasibatra tamin’izany ary voan’ny balan’ireo olon-dratsy mihitsy aza ny olom-boafidy iray teo aloha, niaraka tamin’ny vadiny ary olona roa hafa. Araka ny fampitam-baovao azo dia izy ireto mihitsy no niantefan’ity fanafihana ity ary nokasaina hovonoina tamin’io fotoana io, izay voalaza fa noho ny anton’ny tsy fitovian-kevitra sy fankahalana teo amin’ireo samy mpiray monina. Tao anatin’izany fifandonana izany no niditra an-tsehatra ny zandary rehefa nahazo antso vonjy ary tonga avy hatrany tany an-toerana nanao ny famotorana. Tsy niandry ela fa nisy olona telo izay fantatra fa isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana no nosamborina ary nentina nampiakarina tao Ambovombe. Teny an-dalana indray anefa, ny ampitson’io fanafihana io, rehefa nahafantatra izany ireo fokonolona dia niara-nirohotra, nanakana ny lalan’ireo zandary nitondra azy telo ireto. « Notakian’ireo andian’olona ireo ny hanajanonana ireo olona nosamborina ireo fa hatao kabarin-drazana» hoy ny vaovao. Mazava ho azy, mety tsy voatana ny hatezeran’ireo fokonolona ka tsy maintsy hiafara amin’ny fitsaram-bahoaka ny zava-nitranga ka nisy ny fandaminana sy ny fanelanelanana nataon’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary sy ny Governora tany an-toerana tamin’ireo mponina ka nilamina ihany ny toe-draharaha. Taorian’izay dia nitohy ihany ny famotorana azy telo ireto ka niafara indray tamina fisamborana olona roa hafa izany. Teo no nahafantaran’ireo mpanao fanadihadiana fa « disadisam-piarahamonina sy pôlitika eo an-tanàna no antony nahatonga izao tsy fandriampahalemana izao ». Nanao antso avo ho an’ireo fokonolona moa ireto tompon’andraikitra ireto fa aoka mba tsy hoe tsy fitovian-kevitra no hikasàna handatsahana ain’olona ary « aoka ny tanora tsy ho voasarika amin’ny asan-jiolahy vokatry ny firehana ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici