Zaza feno mangana sy ratra noho ny daroka. Izay no hita tetsy Namontana ny talata teo. Ireo polisy avy ao amin’ny FIP izay nanao fampodiàna olona noho ny hamehana ara-pahasalamana no nahatsikaritra ity zaza izay tombanana ho efa-bolana teo amin’ny fanariam-pako. Efa niady aman’aina izy ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly ary avotra soa aman-tsara. Nahonena loatra ny tranga ary nanokafan’ny polisy fanadihadiana avy hatrany. Omaly dia efa niverina teny an-toerana ary nanontany ny fiaraha-monina ny polisy. « Saika hisy hamono ilay zaza », raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Karohina ny ray aman-dreniny na koa izay mety ho tompon’andraikitra amin’izany. Afaka miantso ny 034 05 703 73 (polisy) izay manam-baovao momba io raharaha io na koa mahita tranga mitovy amin’izany.
D.R