- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAlarobia Amboniloha : Mpirevy 15 lahy niaraka tamin’ny tompon’ny bar, nosamborin’ny...

Alarobia Amboniloha : Mpirevy 15 lahy niaraka tamin’ny tompon’ny bar, nosamborin’ny polisy

« Miandry polisy ireo mponina ao Alarobia Amboniloha vao manara-dalàna » ! Omaly, mpirevy  15 lahy indray no noraofin’ny polisy. Nentina natao famotorana niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny tompon’ilay fivarotana zava-pisotro mbola sahy nampiantrano sy nivarotra zava-pisotro tamin’ireto olona ireto.

Nisy ny fidinana tampoka nataon’ireo polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo etsy Analamahitsy omaly, tetsy amin’ny fokontany Alarobia Amboniloha. Mbola maro hoy ny fanazavana ireo mpivarotra mivoha aorian’ny amin’ny 12 ora, ireo « bar » mbola sahy misokatra ihany na dia eo aza ny fandrarana azy ireo tsy hisokatra ao anatin’izao fihibohana sy hamehana ara-pahasalamana izao, ary maro ihany koa  ireo olona no mijorojoro sy mifamezivezy tsy amin’ny antony eny an-dalana. Niditra an’elakelan-trano mihitsy ireo mpitandro filaminana ka tamin’izay no nahatrarana toerana fivarotana zava-pisotro iray mbola nisokatra. Ary tsy vitan’ny hoe mbola nivoha io toerana io fa mbola maro ireo olona nirevy tao anatiny. Tsy nisy alaharo alaharo moa fa avy hatrany dia noraofina avokoa ry zalahy mpirevy tamin’ity toerana ity, izay nahatratra am-polony ary nentina nihazo ny kaomisaria mba hatao fanadihadiana. Torak’izay ihany koa, ny tompon’ny fivarotana, nentina natao fanadihadiana. Nakatona teo  no ho eo avy hatrany moa ilay toerana. « Ny toeram-pivarotana kosa dia nakatona avokoa, satria efa mihoatra ny ora voatondro hivarotan’izy ireo ary ireo olona nifamezivezy, dia nalefa nody avokoa ».

Fa ankoatran’io tetsy Alarobia Amboniloha io, dia fantatra ihany koa fa nisy taxi-be  dimy voatery nampidirina am-balam-pamonjana tamin’ireo faritra maromaro teto an-dRenivohitra. Fiara fitateram-bahoaka, mbola sahy niasa sy nitondra olona ihany izy ireto, na dia teo aza ny fepetra navoakan’ny Fanjakana, fa tsy misy na dia iray aza mahazo miasa izy ireny ao anatin’izao fiverenana amin’ny fihibohana izao. Tetsy andanin’izay, dia fantatra fa mpamily sy ny mpanampy azy maromaro no notanana natao fanadihadiana sy natao andrimaso eny anivon’ireo kaomisarian’ny polisy eto an-dRenivohitra.

Ny tsikaritra hoy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena, dia saika miandry mpitandro filaminana hatrany ireo olom-pirenena vao mody manara-dalàna, kanefa raha izay foana ny toe-tsaina, dia hihamaro hatrany ireo olona voan’ity aretina Covid-19 ity, ary tsy hitsaha-mitombo ny isan’ireo ho lavo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici