Mirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo ao amin’ny faritra Vakinankaratra ao. Indrindra ao amin’ny distrikan’i Mandoto. Nirefodrefotra indray ary ny basy ny talata lasa teo, tao amin’ny Kaominina Anjoma Ramartina. Jiolahy 14 lahy, mirongo basim-borona 5 miaraka amin’ny kalaza, famaky ary lefona, no indray nanafika ny tananan’i Soatanimbary. Olona telo no niantefan’ny balan’ireo dahalo nandritra ny fanafihana ka naratra vokatr’izany. Tsy nisy aloha ny aina nafoy. Omby miisa 38 kosa no nentin’ireo malaso. Tsy vitan’ny nangalatra omby sy nandratra olona fotsiny anefa ireo olon-dratsy fa mbola naka takalon’aina ihany. Tovolahy iray, antsoina hoe Faneva, 15 taona no fantatra amin’izao fotoana izaofa any am-pelatanan’ireto malaso ireto. Tsy nianona fotsiny amin’izao anefa ny fokonolona, niaraka tamin’ireo zandary tany an-toerana, fa nanara-dia ireo mpangalatra omby sy mpaka takalon’aina ireo. Mianatsimo andrefana ny dian’izy ireo, raha ny vaovao azo avy amin’ny zandary hatrany. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena avy ao Morafeno no miandraikitra ity raharaha ity sy manao ny famotorana, araka ny fantatra hatrany.
Mike L.