- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Mpitondra bisikileta matin’ny lozam-pifamoivoizana

RN1 : Mpitondra bisikileta matin’ny lozam-pifamoivoizana

Omaly tany amin’ny 4 ora, nisy lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny RN1 tsy lavitra an’Imerintsiatosika. Vokatr’izany, mpitaingina bisikileta iray no fantatra fa namoy ny ainy. Etsy andainy, mpitondra moto an’ny mpitandro filaminana no maratra mafy amin’izao fotoana izao ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa nifandona ireo samy kodiaran-droa ireo. Faran’izay mafy izany zavatra izany ka nitarika avy hatrany ny fahafatesan’ilay nitondra bisikileta. Ilay mpitandro filaminana nitondra moto kosa naratra teo amin’ny faritry ny tarehiny sy ny vatany. Voa mafy tokoa izy, hoy hatrany ny vaovao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser