- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMiaramilan’ny Jenia Barikadimy Toamasina : Nidaroka olona, naratra mafy ilay rangahy be

Miaramilan’ny Jenia Barikadimy Toamasina : Nidaroka olona, naratra mafy ilay rangahy be

Ireo solon-tenan’ny Tafika, nifanaraka tamin’ny voadaroka. (Malala Didier)

Nosoketain’ity miaramila eo anivon’ny Jenia Barikadimy Toamasina, ity rangahy be iray fa hoe tsy nanao arovava ka avy hatrany dia nodarohany. Ilay miaramilan’ny Jenia koa aza tamin’io fotoana io tsy nanao arovava ihany koa. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso sy nambaran’ilay rangahy be voadaroka ity, dia tsy hoe tsy nanao arovava ilay rangahy be fa teo am-pihinanana zavatra izy tamin’io fotoana io ka nesoriny aloha ny arovava. Raha ny fanazavany, dia avy nividy zavatra ho an’ny zafiny izy, izay sady nihinana ihany koa nandritra izany. Raha niezaka nanazava ilay rangahy be ny antony tsy nanaovany arovava tamin’io fotoana io, tonga dia daroka no nahazo azy ka nahatonga azy naratra mafy teo amin’ny vavany sy ny masony izay tsy maintsy nozairina teny amin’ny hopitaly mihitsy vao nijanona ny rà. Latsaka ambany ny tenany nandritra izany fidarohana azy izany, ka teo no nanararaotra nidaroka azy ilay miaramila ka niteraka ny faharatrany goavana izao. Tsy niandry ela taorian’izay dia nametraka fitoriana teny amin’ny fampanoavana ity naratra nataon’ny mpisolovava azy, ka ny fampanoavana indray no nandefa ny raharaha teo anivon’ny zandary misahana ny Tanànan’i Toamasina hanao ny fanadihadiana ny raharaha. Araka ny fifanarahana teo amin’ny samy mpitandro ny filaminana samihafa, dia nisy ny fangatahan’ny zandary indray ny lehiben’ity miaramila ity hahafahana manao famotorana ilay miaramila nidaroka olona ity. Ankoatra izany dia efa nohenoina teo anivon’ny zandary misahana ny tanànan’i Toamasina misahana ny raharaha ity rangahy voadaroka naratra mafy ity, sy ireo vavolombelona nanatri-maso ny raharaha rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici