Rava ny « bal » … Noraofin’ny polisy avokoa ireo fitaovana fanamafisam-peo ary nosamborina sy nentina natao fanadihadihadiana tany amin’ny biraon’ny kaomisaria ireo olona rehetra tao.
Efa nilazana mantsy fa tsy azo atao ny fivorivoriana amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao, mba tsy hanaparitahana ilay valan’aretina Covid-19, eny fa na dia ny lanonam-pianakaviana aza izany. Mbola nisy anefa ireo mafy loha ary mbola sahy nanatanteraka izany ihany teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. Famoran-jaza no natao tamin’io fotoana io, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ekena tokoa fa ririnina izao ary maro ireo fomban-drazana tanterahin’ny maro rehefa vanim-potoana toy izao. Kanefa tsy mitombina ihany ny fomban-drazana izay tsy hita izay maharatsy azy, rehefa misy trangana valan’aretina mahafaty olona. Ireto fianakaviana teny Ambohimanarina ireto dia tsy nihanona fotsiny tamin’ny famitàna ny fomba, natao mangingina fa mbola nanohy tamin’ny fandihizana sy ny fanangonana olona be dia be. Notongavan’ny polisy tao ireto mpamonjy famoran-jaza ireto. Notapahina ny herinaratra, nogiazana ireo fanamafisam-peo isan-karazany ary nosamborina avokoa ireo olona efa nahatratra tany amin’ny 112 tany ho any tao an-toerana. Fifaliana no nokasaina natao kanjo famotorana tany amin’ny biraon’ny polisy no niafaràny.
Fa ankoatra ireo mpamonjy famoran-jaza ireto dia fantatra fa nisy mpirevy am-polony maro ihany koa voasambotra teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny ihany sy tetsy Namontana. Nosamborina niaraka tamin’ny tompon’ny fivarotana moa izy ireo ny faran’ny herinandro teo hatrany. « Mitohy ny fampanarahan-dalàna ataon’ny polisim-pirenena hiarovana ny olom-pirenena amin’ny fiparitahan’ilay valan’aretina covid-19 »
m.L