Tanora sy zatovo avokoa izy ireo. Ireny mpijorojoro sy mpanoko resaka any anaty tanàna ireny ny ankamaroany. Niova paik’ady ny polisy misahana ny boriborintany fahatelo rehefa nahatsapa, fa efa misy mpitsikilo koa ireo olona izay tsy mihiboka. « Efa misy ireo olona sasany no mitily ireo polisy manao fisafoana izay manao bemidina eny an-toerana. Rehefa mandalo ireo mpitandro ny filaminana, dia toa mangina tanteraka ny tanàna saingy vao dify kely fotsiny ireo dia manao ny fanaony indray ireo olona, tsy mihiboka » raha araka ny fanazavana. Novaina arak’izany ny fanao ary nisy ny polisy izay manao fanamiana sivily nalefa tany anaty tanàn’Ankadifotsy. « Tsy nanam-po ny fisian’ireo olonay nisafo ny elanelan-trano ireo mponina tsy manara-dalàna ary dia tratra ambodiomby avokoa ny 31; izay andian-jatovo mpijorojoro mameno ny làlana sy tsy manao aro tava » raha araka ny fampahafantaran’ny polisy hatrany. Nentina avy hatrany tany amin’ny kaomisarian’ny polisy etsy Antaninandro izy ireo, ary nanokafana fanadihadiana. Ankoatr’ireo, dia nisy koa ny ramatoa iray izay nosamborina. Tompon’ny toeram-pisotroan-toaka izay sady mivoha ny maraina no mivoha ihany koa ny hariva. Vokatr’izany, dia lasa misy olona izay mitangorona hatrany eo amin’ilay bar izay mbola eny Ankadifotsy hatrany. Mbola betsaka ny olona no tsy mahatsapa hatreto, fa tena mihanaka ary mora mihanaka ilay valanaretina. Ny fitangorongoronana toy ireny no isan’ny fadiana voalohany mba hiadiana aminy. Ny firenen-kafa, rehefa natao nihiboka dia tena nanaja tanteraka ny fepetra ary nanampy betsaka azy ireo tamin’ny famehezana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izany. Na izany koa aza anefa nanampy tanteraka ny mpitondra, indrindra amin’ny famatsiana ara-tsakafo mba tsy hisian’ny olona mivoaka ny tranony. Ny eto amintsika, dia mbola teo ao anatin’ny ady mafy, indrindra raha fantatra fa ny tarehimarika be amin’ny voan’ny aretina indrindra dia amin’ny volana aogositra. Izany hoe amin’izao fotoana izao no tena miparitaka ny Covid-19 ary mila mifehy tena mihiboka tanteraka.
D.R