- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Dahalo telo maty voatifitra, iray azo sambo-belona

Amboasary Atsimo : Dahalo telo maty voatifitra, iray azo sambo-belona

Fifandonana mahery vaika indray no nitranga tany amin’iny faritra Anosy iny, izay nifanandrinan’ andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana sy ody gasy tetsy an-daniny, ary ireo andrimasom-pokonolona nampian’ireo mpitandro filaminana an-kilany, ny alarobia lasa teo.

Raha ny zava-nisy, dia trangana halatr’omby tao Ambatomainty, kaominina Ebelo, distrika Amboasary Atsimo, tamin’io alarobia maraina io. Omby manodidina ny 180 teo no lasan’ireo dahalo, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Rehefa nampahafantarina ny zava-nisy ireo zandary tany an-toerana, avy hatrany dia nanatanteraka ny fanarahan-dia, niaraka tamin’ireo andrimasom-pokonolona. Tetsy andanin’izay anefa, dia voalaza fa efa nampandrenesina avokoa ireo amin’ny faritra manodidina hiambina ireo kizo, làlana mety halehan’ireo olon-dratsy hitondrany ireo omby halatra. Anisan’ireny ny tao: Ebelo,  Mahabo, Tranomaro, Vazahalava. Niara-nisalahy tamin’izany ireo fokonolona sy zandary  nampian’ny avy eo anivon’ny Tafika.

Raha ny maraina no nitranga ny fanafihana, dia ny hariva, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any no nifankatratra ireo mpanara-dia sy ireo nenjehina. Raikitra teo avy hatrany fifandonana, satria raha vao nahatazana fotsiny ireo mpanara-dia ireo dahalo avy hatrany, dia namonjy nitifitra. Namaly torak’izany ihany koa ireo zandary. Naharitraritra ihany ny fifamaliana tifitra, izay miova tsy toy ireny anaty horonantsary ireny, saingy tena zava-misy, nitranga teto amintsika. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany, dia nilavo lefona ary tapitra nitsoaka avokoa ireo dahalo rehefa hitan’izy ireo fa tsy resy tosika ireo mpifanandrina taminy. Nisy iray tamin’ireo malaso mihitsy aza moa azo sambo-belona. Ny fizahana ny manodidina kosa no nahitana, fa nisy dahalo telo no nitsirara, maty voatifitra ary nahitana basim-borona iray lany bala tsy lavitra teo.  Raha ny fantatra, dia mitohy ny hazalambo any an-toerana hisamborana ireo dahalo tafatsoaka ireo. Voalaza mantsy, fa mety ho betsaka tamin’izy ireo no naratra mafy, saingy nentin’ireo namany nitsoaka. Azo avokoa araka izany ireo omby nangalarin’ireto olon-dratsy ireto; izay efa nentina naverina tamin’ireo tompony. Ilay dahalo iray voasambotra kosa nentina avy hatrany nofotorana tany amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici