Nampiaka-peo ireo mpivarotra an-tsisin-dàlana ao Bazary kely, fa noroahin’ny kaominina izy ireo. Raha ny voalazan’izy ireo, dia efa nisy ny fihaonana tamin’ny kaominina nandaminana ny raharaha, fa ny fivarotan’izy ireo eo mihitsy no olana amin’ny manodidina rehetra ka nanesorana azy ireo. Ireo mpivarotra anana naman’izy ireo amin’ny arabe anefa tsy voakasika amin’izao toe-javatra izao no mahagaga, izay nambara aza fa tsy olana ny fivarotany izany anana izany eo amin’ny arabe. Ireto mpivarotra legioma noroahina ireo anefa, dia adiny roa ihany no mivarotra eo amin’ity toerana ity isan’andro, izany hoe manomboka amin’ny 04ora sy sasany na amin’ny 05ora maraina ary mifarana izany fivarotana izany amin’ny 07ora maraina. Saika avy any Ambatondrazaka tavela nitondra entana teto noho ny coronavirus avokoa izy ireo, ka izao nanangana tsena na legioma izao mba hivelomana kely aloha, alohan’ny hiverenana an-tanindrazana. Nangatahan’izy ireto ary raha tsy misy ny elanelam-panahy ny mba hahafahan’izy ireo mivarotra amin’ity toerany ity, dia sokafana ny lalana Toamasina – Ambatondrazaka hahafahan’izy ireo mody manao ny asany any an-tanàna. Ankoatra izay, dia nambaran’ireto mpivarotra noroahina ireto, fa ireo mpivarotra legioma ao anatin’ny bazary kely matahotra ny tsy hahalafo entana, no mandrisika ireto mpiasan’ny kaominina manao izao fandroahana izao; nefa naverin’ireto mpivarotra ireto hatrany fa tsy manontolo ny andro izy ireo no mivarotra fa adin’ny roa ihany isan’andro.
Malala Didier