- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFenerivo Atsinanana : Tovolahy iray nitonon-tena tao anaty “facebook”

Fenerivo Atsinanana : Tovolahy iray nitonon-tena tao anaty “facebook”

Ny sabotsy 18 jolay teo, dia tovolahy iray 27 taona avy ao Fenerivo Atsinanana no nitonon-tena tamin’ny “facebook”, fa afaka mitatitra olona miainga avy ao Fenerivo Atsinanana mihazo an’i Toamasina; napetraka hatramin’ny laharan’ny finday mihitsy. Nefa raha ny fanapahana noraisin’ny governoran’ny faritra Analanjirofo sy ny governoran’ny faritra Atsinanana, dia mbola mikatona aloha hatreto ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-05, afa-tsy ireo zotra rezionaly suburbaine ihany hatrao Mahavelona Foulpointe. Manoloana ity tranga niseho tao Fenerivo Atsinanana ity, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro ny filaminana teo anivon’ny polisim-pirenena nisambotra an’ity tovolahy nanana fahasahiana tamin’ny “facebook” ity; izay nanaovana vela-pandrika mihitsy. Tra-tehaka ny tenany ka avy hatrany dia niaiky ny heloka vitany nandritra ny famotorana azy. Natolotra ny fampanoavana tao Fenerivo Atsinanana ny raharaha, ka taorian’ny didy nivoaka, dia eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana na “sous contrôle judiciaire” ilay tovolahy amin’izao fotoana izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici