Mitranga avokoa ankehitriny ny fika rehetra entina mivoaka an’Antananarivo. Ny alin’ny asabotsy teo no nahatrarana indray ireo olona 16 izay niafina tao anaty kamiao mpitatitra entana. Niainga teo amin’ny fasan’ny karàna tetsy Anosizato ny fiara ary vao teo Ambalavao, izany hoe tsy mbola tafavoaka ny faritra, dia efa sarona. Ny tena nanamora ny asan’ny zandary, dia ny fisian’ny finday naneno tampoka nandritra ny fanakanana ny fiara. Vao teo am-pijerena ny tao aorian’ny fiara ary handeha hisava no naneno ny telefaoninan’ny iray tamin’ireo mpandeha an-tsokosoko. Nojerena ny toerana niavian’ny feo, tao ambadiky ny baoritra sy kesika marobe. Inona tokoa, fa olona marobe no tao. 16 izy ireo no tra-tehaka ary nisy zaza amam-behivavy ny folo tamin’ireo. Iny alina iny ihany dia notazonina avokoa ireo mpandeha ary nosamborina ny mpamily sy ny mpanampy azy. Ny fiara kosa dia nogiazana avy hatrany. Nisy arak’izany ny fanadihadiana nosokafana momba ity raharaha. Vao nanan-kery ny didim-panjakana mahakasika ny hamehana ara-pahasalamana, dia lasa heloka ny fivoahana ny faritra izay voafaritr’izany. Isan’izany Analamanga sy Atsinanana izay tena nisy ny valanaretina Covid-19. Niteraka risoriso indray izany, satria nisy ny olona izay sahy ny nandoa volabe amin’ireo izay sahy mitondra azy ireo any amin’ny faritra niaviany. Nandeha avokoa ny taxi-moto, ny fiara sasany izay nirisika noho ny fitadiavam-bola. Nisy koa aza ireo olona izay nandeha an-tongotra tany anaty ala. Ankehitriny, dia nohamafisina tanteraka ny fanaraha-maso, satria fantatra ny lesoka teo aloha izay nitarika ny fiparitahan’ny valanaretina tany amin’ny toeran-kafa izay tsy neritreretina ho tongan’izany. Milaza ny zandary, fa « tsy handefitra intsony amin’ny trangan-javatra toy izao, ary mampitandrina fa tsy hisy ny fitserana na kely akory aza ».
D.R