Efa nitangorona ny fokonolona. Tsy nihemotra noho ny hatezerana, vonona ny hanao fitsaram-bahoaka an’ireo dahalo voasambotry ny zandary, tao amin’ny tanàna iray tany amin’iny distrikan’Analavory iny. Saingy soa ihany fa tonga aloha ny fanampian’ireo mpitandro filaminana niezaka nandamina ny vahoaka.
Ny zava-nisy : ny herinandro lasa teo olon-dratsy valo lahy no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Analavory. Izy ireto dia voarohirohy tamina resaka halatra omby nitranga tamina kaominina maromaro tany an-toerana. Tamin’ny fotoana nahatrarana an-dry zalahy ireto, dia fantatra fa nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny kaominina Anosibe Ifanja sy Sarobaratra Ifanja. Nalain’ireo dahalo an-tsokosoko tao ireo ombin’olona. Nandray ny andraikiny ary nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny zandary roa lahy avy amin’ny zana-tobim-paritra Ifanja. Tamin’izay ihany koa no nahazo vaovao izy ireo, fa misy olona hafahafa ao amina tanàna iray antsoina hoe Fialofa. Nojerena avy hatrany, fa hena marobe no tao ary fantatra fa vao avy namono omby. Tsy nanana taratasy velively ny mahakasika ilay omby novonoiny anefa izy ireo ka dia nentina nohadihadiana avy hatrany. Teo no nahafantarana ny namany ary mbola nahitana omby velona tao. Rehefa nampitoviana tamin’ireo ombin’olona very ny volon’ombin’ireto olona nahiahiana ireto dia hita tokoa fa mitovy. Tsy nisy nisalasalana araka izany, fa izy ireo no nangalatra ireo omby. Nentina avy hatrany hiakatra an’Analavory izy ireo, saingy tsy navelan’ireo fokonolona, izay efa vonona ny hamaly faty avy hatrany ny fananan’izy ireo nalain’ireto dahalo. « Tezitra ny vahoaka ka nikasa hanao fitsaram-bahoaka, saingy noho ny tatitra tonga haingana tamin’ny lehibe isan’ambaratonga dia tonga ny zandary fito sy miaramilan’ny Tafika enina nanampy ireo roa lahy teny an-kianja ary avotra ihany ny ain’izy ireo.». Nalaky nilamina ihany moa ireo vahoaka rehefa nohazavaina tamin’izy ireo ny lalàna. Fantatra kosa, fa nisy naman’ireto dahalo ireto ihany koa voasambotra. Tafakatra valo araka izany no izy ireo rehefa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tao Miarinarivo izy ireo. Voalaza moa araka ny fampitam-baovao azo hatrany, fa nampidirina am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo avokoa ry zalahy dahalo ireto, miandry ny fotoam-pitsarana azy.
m.L