Dia nitombo isa indray izay aloha ireo mitonon-tena toa lolo fotsy, voasambotra sy nadoboka am-ponja vonjimaika, raha nikasa ny hanao kolikoly teny anivon’ny zandary. Roa lahy izy ireo no fantatra, fa voasambotra tany amin’iny distrikan’i Betroka iny, ny faran’ny herinandro lasa teo.
Dimy hetsy ariary ! Io vola nentin-dry zalahy ireto, tonga tao amin’ny biraon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary tao Betroka, mba hentina hanambazana ireo manamboninhitra tao an-toerana hamoaka ny naman’izy ireo; izay voasambotra tany Isoanala, noho ny asan-dahalo. Ary tsy vitan’izay, fa mbola hamoaka ihany koa ireo omby 25, izay tsy manana taratasy mazava, voatazona ao amin’ny « fourrière ».
Tsy misy tahotra.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, dia ny voalohandohan’ny herinandro nivalona iny no tonga tany amin’ny biraon’ny zandary ny roa lahy, nitondra vola 500.000 ariary. Raha ny voalaza hatrany, dia efa tany amin’ireo mpanao famotorana, tany amin’ny tobim-paritra Isoanala izy ireo no nikasa hanao kolikoly io, saingy tsy nety nandray izany ireo tompon’andraikitra. Ary io niakaran-dry zalahy taty amin’ny « ambonimbony » kokoa. Nihevitra angamba izy roa lahy ireto, fa handeha mora tokoa ny raharaha, ka raha vao nahita ireto « volabe » ireo mpitandro filaminana, dia handravona ny raharaha tokoa. Ny nifanohitra tamin’izany anefa no nitranga, fa dia io nosamborina avy hatrany noho ny resaka kolikoly io ry zalahy ireto, ary nogiazana atao porofo ny vola.
Natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana izy roa lahy ireto ary dia nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany miandry ny fotoam-pitsarana azy. « Anterina etoana, fa ny Zandarimariam-pirenena dia manao vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly ka tsy handefitra ny amin’izany ».
m.L