- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Feno mpivarotena amin'ny andro antoandro

Tsaralalàna : Feno mpivarotena amin’ny andro antoandro

Nivadika koa ny fomba fisehon’ity asa tranainy indrindra eran-tany ity noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana, indrindra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina. Lasa amin’ny antoandro be nanahary indray no tena miasa ireo mpivarotena. Eny Tsaralàna no tena betsaka izy ireo, ary eo amin’ny toerana izay fiasan’izy ireo amin’ny alina ihany, tany aloha tany. Milahatra amin’ny sisin-dàlana mihitsy ary ny tsikaritra dia betsaka ireo mbola tanora kely no tafiditra ao anatin’izany asa izany. Tsy anisan’ireo voatonona, fa voarara rahateo ilay sehatra, hany ka lasa miroborobo ny varotra na amin’ny andro mazava aza. Betsaka rahateo ny sahirana ka lasa mampiasa izay ananany mba hentina miatrika ny fiainana. Matoa miasa ireo mpivarotena dia mazava hoazy, fa misy efitrano fandraisam-bahiny misokatra koa izany eny amin’ny manodidina eny. Efa nisy hatrany ny fivaron-tena amin’ny andro antoandro, saingy tsy miseho masoandro toy ny zava-misy ankehitriny. Na miafinafina ireo mpiantsehatra na mandeha amin’ny alàlan’ny tambajotra. Izao kosa dia lasa hitan’ny besinimaro ilay karazam-barotra. Ny alina indray dia tena mangina tanteraka eny an-toerana. Na izany aza, dia misy ihany saingy vitsy ireo mpijorojoro mivarotra fahafinaretana. Manjononjono ireo mpiasa alina eny an-toerana, toy ny mpitandro ny filaminana na ny mpiambina no tena tanjon’izy ireo. Lany ny vatsy iray hetsy ariary, ary lasa nivoaka ho azy ireo mpivarotra fahafinaretana?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

5 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici