- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFanakanan-dàlana : Mpiasana amina ONG roa voadaroka sy voavono

Fanakanan-dàlana : Mpiasana amina ONG roa voadaroka sy voavono

Vely kibay sy tsindron-defona … Ireo no nihatra tamina mpiasana ONG roa lahy nandeha namita iraka tany amin’iny faritra Melaky iny, ny alatsinainy lasa teo. Naratra mafy tokoa izy roa lahy ireto ary voatery nentina nihazo tobim-pahasalamana tao Maintirano.

Teo amin’ny toerana iray, valo kilaometatra miala ny tampon-tanànan’i Maintirano no sendra ireto olon-dratsy izy roa lahy ireto, raha teny an-dàlana hihazo toeram-pambolena iray tao amin’ny kaominina Andrea. Somary saro-dàlana ny amin’iny faritra iny ka kodiaran-droa no nentin’izy ireo. Tonga teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io anefa, dia andian’olona hafahafa,  enin-dahy teo no nanakana ny làlan’izy ireo. Mirongo vatan-kazo sy zava-maranitra isan-karazany ry zalahy ireto. Voasakana tanteraka ny làlana ka tsy nahafahana niverenana intsony. Tafalatsaka tanteraka tao anatin’ny vela-pandrik’ireto olon-dratsy. Tetsy andanin’izay, tsy nisy alaharo alaharo ihany koa avy tamin’ireo jiolahy, fa avy hatrany dia samy nanatona azy roa lahy ary raikitra ny vely kanonta sy vono isan-karazany, nihatra tamin’ireo mpiasa namita iraka ireto. Rehefa tsy tafahetsika intsony tamin’izany izy ireo, dia nohararaotin’ireo olon-dratsy nalaina avokoa ny zavatra rehetra teny amin’izy ireo. Ary rehefa vita izay, dia  nitsoaka toy ny tsy teo ireo mpanakan-dàlana, namela azy roa lahy tao anaty rà mandriaka. Mponina teny an-toerana sendra nandalo no nahatsikaritra azy ireo sy naheno ny antso vonjy. Ary ireo no nampandre ny rehetra sy nitondra ireo naratra tany amin’ny hopitaly. Tonga namangy ireto niharam-boina ireto moa ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana. Efa eny am-pelan-tànan’ny mpitandro filaminana kosa ny raharaha ary efa manomboka ny fanadihadiana hikarohana ireo nahavanon-doza, sahy nanafika ireto mpiasa ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici