- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Ireo mpanendaka indray no miantso fitsaram-bahoaka

67ha : Ireo mpanendaka indray no miantso fitsaram-bahoaka

Teti-dratsy hafakely mihitsy indray no ataon’ireo andiana mpanendaka eny amin’iny faritra 67ha, manodidina ny Vatobe iny, hanaovany ny asa ratsiny. Mitily izay atao lasibatra izy ireo ary miantso tampoka hoe « mpangala-badin’olona ». Fotoana vitsy avy eo dia efa andian’olona marobe no indray mitangorona sy mila vaniny amin’ilay olona lasibatra. Ary ao anatin’izany no hanararaotan’izy ireo manao ny asa ratsiny.

Tsy kely lalana ny ratsy e ! Fihevitry ny Ntaolo, izay tsy midify tokoa raha ity tranga niseho teny 67ha ity. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisy dia lehilahy iray no saika lasibatra tao anaty sakoroka saingy soa ihany fa tonga ireo mpitandro filaminana. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo, ny faran’ny volana nivalona iny dia lehilahy iray handeha hizotra ho any Ankasina no nifanehatra tamin’ny tovolahy maromaro. Ny iray tamin’ireo tovolahy no mody niherika ary nanatona avy hatrany ity lehilahy ity. Nilaza avy hatrany ity farany fa io lehilahy io mihitsy no hitany niaraka tamin’ny vadiny, sady mitabataba mafy be izy. Tamy nanatona avokoa ireo naman’ilay olon-dratsy, nony avy eo no sady mila ady sy mila vaniny. Ny sasany tonga amin’ny fiantsoana fitsaram-bahoaka mihitsy satria hoe tratra nangala-badin’olona. Mazava ho azy ny tohiny avy eo : ao ireo manome tsiny ary ireo tonga dia midaroka avy hatrany, tsy misy hanazavàna n’inona n’inona intsony ary ireo tontakely moa dia maka izay azony. Vola dimy arivo ariary niaraka tamin’ny finday iray no lasa. Raha ny vaovao hatrany, tamin’io fotoana io dia nisy nahatsikaritra ihany fa hoe mpanendaka ireo mody mila vaniny amin’ilay lehilahy ireo ka niantso polisy avy hatrany. Raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana kosa iretsy andian-tovolahy dia nitsoaka toy ny tsy teo. Na izany aza nisy roa tamin’izy ireo ihany no voasambotra izay mbola nahitàna antsy lava lela iray tany amin’izy ireo. Eo am-pitadiavana ireo namany kosa ny polisy misahana ny famotorana amin’izao.

Fa ankoatra izay dia lehilahy iray avy nanendaka ramatoa avy niantsena tetsy Ambodin’Isotry no voasambotry ny polisy ihany koa ny faran’ny volana lasa teo ihany. Vola roa alina ariary niaraka tamina finday iray indray no lasa tamin’izay fotoana izay. Soa ihany koa fa nifanena tampoka tamin’ireo polisy nanao fisafoana ilay ramatoa ka izy ireo avy hatrany no nandray an-tanana ny raharaha ary nifanenjika tamin’ilay olon-dratsy. Tsy lasa lavitra akory moa dia tratra ranamana ary nentina natao fanadihadiana. Samy efa natolotra ny Fampanoavana omaly avokoa izy telo lahy ireto, ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici