- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversLoza nahafaty olona tetsy Anosibe : Nadoboka am-ponja vonjimaika ilay mpamily

Loza nahafaty olona tetsy Anosibe : Nadoboka am-ponja vonjimaika ilay mpamily

Omaly no natolotra teo anoloan’ireo mpitsara mpanao famotorana ilay mpamily, nahavanon-doza ka niteraka lozam-pifamoivoizana nahafaty olona roa tetsy Anosibe ny herinandro lasa teo. Araka ny fanampahan-kevitra noraisin’ny Fampanoavana dia nadoboka am-ponja vonjimaika teny Antanimora ity mpamily ity mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Raha tsiahivina ny zava-nisy dia ny talata lasa teo no nitranga ny loza. Fiarabe iray, somary nandeha mafy no tsy voatanan’ny hisatra intsony ka namarana ny lalany teny amina trano fivarotana enta-madinika teny amin’iny faritra Anosibe iny, tsy lavitra ny sampanana mizotra mihazo an’i Namontana. Vokatr’izay, olona roa, ankizikely iray sy renim-pianakaviana iray no indray namoy ny ainy tao anatin’izany loza izany ary olona iray no naratra mafy, araka ny tatitra azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Ireto farany moa izay tonga avy hatrany teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Niezaka namonjy ireo niharam-boina ary nitondra ilay mpamily an’ilay fiarabe, hatao famotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici