- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversDahalo voafitaky ny mpimasy : Nivadika ho mpiompy omby madio

Dahalo voafitaky ny mpimasy : Nivadika ho mpiompy omby madio

Taorian’ireo hetsika maromaro nataon’ny zandamariam-pirenena, ny amin’ny famongorana ireo mpimasin-dahalo manerana ny Nosy, indrindra fa tany amin’iny distrikan’Andilamena iny dia fantatra, araka ny fampitam-baovao azo fa saika nivadika sy niova fo avokoa ireo dahalo mpilalao ody bala sy nitoky tamin’ireto farany, ary zary lasa mpiompy omby madio sy manana fikambanana.

Paikady napetraky ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana tokoa ny fitsimponana ireo mpanao ody bala sy mpimasy mpiray tsikombakomba amin’ireo malaso. Fantatra mantsy, fa saika mitoky tanteraka amin’ireo mpilalao tapa-kazo sy mohara ireny ireo olon-dratsy ka sahy mihantsy mpitandro filaminana sy manitatra ny asa ratsiny amin’ny hoe manana fiarovana amin’ny bala. Araka izany, noporofoina tamin’ireo mpitoky amin’ireo mpimasy ireto, fa tsy mandaitra velively  ny zavatra ataony. Anisan’izany ny fisamborana ireo mpanao ody bala sy mpimasin-dahalo. Nisy sasany tamin’izy ireny no niseho nampiasa ny fahaizana ka niezaka ny hitsoaka kanefa dia maty voatifitra ihany. Voalazan’ny fampitam-boavao, fa izany zavatra izany no anisan’ny nandresy lahatra ny sasantsany tamin’ireo mpilalao ody bala tany amin’iny distrikan’Andriamena iny ka nivadihan’izy ireo fo, tsy hanao dahalo intsony. Fantatra ary izao, raha ny vaovao azo avy tamin’ny mpitandro filaminana hatrany, fa maherin’ny 300 olona eo ho eo no mpikambana ao amin’ilay fikambanana mpiompy omby iray any an-toerana ankehitriny. Izy ireo dia saika ireo mpilalao ody bala avokoa. « Milaza moa izy ireo, fa nahatsiarotena ho voafitaka tamin’izany ary diso làlana. Vonona ny hiala amin’io fomba ratsy io ». Tsy mitsahatra ny manentana ihany koa ireo mpitandro filaminana, ho an’izay mbola misalasala mba hiditra aty amin’ny sehatry ny fiarahamonina madio satria dia fitaka bevava hoy izy ireo ny nivarotana ireo ody bala tamin’ireo olona. Heverina araka izany, fa mbola ho maro ireo hiverina amin’ny lala-mahitsy ka hanary ireo fomba ratsiny hatramin’izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici