- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTalamaty : « Laisser-passer » sandoka nentina nitatitra olona

Talamaty : « Laisser-passer » sandoka nentina nitatitra olona

Nipetaka tsara eo amin’ny fiara ny taratasy izay milaza fa mpitatitra mpiasa eo anivon’ny orinasa ireo minibus. Mbola atao mivandravandra eo koa ny soratra « transport du personnel » na koa mpitatitra mpiasa eo anivon’ny orinasa. Sprinter roa sy Toyota iray ny fiara nampiasaina izany mba hoentina hamitahana ny mpitandro ny filaminana izay manao barazy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nosavaina tampoka ny taratasin’ny fiara ary tsikaritr’ireo mpitandro ny filaminana fa sandoka avokoa ny taratasy nampiasaina.Ny asabotsy maraina teo no nitrangan’izany teny Talatamaty. Nitohy  ny fanadihadiana ary fantatra, fa natao fitateran’olona mba hahazoana vola ireo fiara. Ireo Sprinter dia samy nitondra olona  32 avy raha 15 kosa ny tao amin’ilay fiara fahatelo. Avy hatrany dia nampidirina « fourrière » ny fiara ary ny mpamily sy ny mpanampy azy kosa notazonina teo anivon’ny biraon’ny zandary. Nanokafana fanadihadiana izy ireo ary hatolotra ny fampanoavana anio raha tsy misy ny fiovana. Ireo olona notaterina kosa dia  navela  nody aloha rehefa nalaina ny mombamomba azy ireo. Ny tranga toy izao dia manaporofo, fa na tsy mivoaka ny faritra aza dia misy hatrany ny tsy fanarahan-dalàna mahakasika ny hamehana ara-pahasalamana. Antony izay tsy namelana ny fiara fitateram-bahoaka hiasa sy tsy hanajana ny elanelana ao anatiny. Mbola nisy ihany anefa ny nanita-tsaina ary nitondra olona avy amin’ny fampiasana taratasy hosoka. Betsaka koa ny olona no naka risika na fantatra mazava aza ny mety hahazoana mora foana ny valanaretina avy amin’ny fifampikasohana amin’ny hafa. Dia niroborobo ho azy teo, vokatr’izany filana izany ny bizina isan-karazany. Na izany aza, dia betsaka ny mahatsapa ihany fa misy mizana tsindrian’ila ity hamehana ara-pahasalamana ity, indrindra amin’ny lafiny fifamoivoizana. Ny fiara kely afaka mivezivezy rehefa latsaky ny olona efatra ny ao anatiny. Ny fiara lehibe kosa dia sahirana, indrindra ireo miendrika  hitondràna entana izay tsikaritra fa voasakana etsy sy eroa. Vokany, dia samy namoaka ny fiarany avokoa Antananarivo, ary dia fitohanana tsy azo eritreretina ny naterak’izany. Manginy fotsiny ireo tratran’ny olona mekanika eny an-dàlana, satria na ny fiara efa zara raha mandeha aza dia nivoaka daholo nampiasaina. Vao mainka sempotra ny tanàna tao anatin’ny fihibohana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici