Tao anatin’ny haizin-kitroka no nigadona ireo telopolo lahy nirongo fitaovam-piadiana. Manodidina ny tamin’ny folo ora alina, ny zoma teo, no nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontanin’Ambatomarina, tanàna iray ao amin’ny distrikan’i Manandriana. Napoaka avy hatrany ny basy raha vao nigadona tao an-toerana ireo mpanafika. Izany dia nentina nandemena am-boalohany ny mponina mba tsy hanohitra. Ary dia nahomby tokoa satria nifitsaka ny iray tanàna. Nidiran’ireo jiolahy tamin-kery avy eo izay tokantrano, tsy fantatra na efa lasibatra na koa izay nanintona azy ireo fotsiny. Nanao izay danin’ny kibony ireo ary porofon’izany, tokantrano telo no nafandimby nasesy. Nitotaly 13.500.000 ariary ny vola azon’ireo andian-jiolahy nandritra ny fanafihana. Vita izany dia mbola nanapoaka basy indray ireo, nentina nampitandrina izay mitady hanara-dia. Raha ny fanampim-baovao azo dia mpivarotra avokoa, izany hoe sady toeram-pivarotana no trano fonenana, ireo voatafika ireo ary samy nahazoan’ireo vola avokoa. Miaina anaty tebiteby tanteraka ny mpiray tanàna, satria tena nanjaka tokana ny jiolahy tamin’ity indray mitoraka ity. Sady efa marobe izy ireo no mbola mitam-piadiana koa.
D.R