Nitrangana fanafihana indray andro atoandro be nanahary ny tao amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly be, izay nitondran’ireo andian-jiolahy ireo mihitsy fitaovam-piadiana mahery vaika nandritra izany. Ny filazan’ny manodidina dia mpamongady omby avy nanangona ny vidin-kena sy vidin’ombiny izay fanaony ihany no voatafika ity; isan-kerinandro no fanaovana azy raha ny fanazavana hatrany. Tokony ho tamin’ny 02ora mahery kely teo no nitrangan’izany, ary tena horonan-tsary mihetsika mihitsy ny zava-nisy hoy ireo nanatri-maso izany fanafihana izany. Efa-dahy izy ireo no nahavanona izao fanafihana izao, hoy i Remi tompom-bola, ka ny roa nitondra moto, fa ny roa hafa kosa efa niandry teo amin’ny toerana nanafihan’izy ireo azy tao Analakininina hopitaly be. Avy hatrany dia voaambana basy PA i Remi satria samy nitondra basy ireto ekipa roa ireto, saingy tsy ny basy no nipoaka fa nisy nidaroka tamin’ny vy ny lohan’ilay tompom-bola ka torana. Teo no nakan’ireto jialahy ny kitapo feno vola sy ilay moto nentiny nanaovan’ireo jiolahy roa tsy nitondra moto taingin-droa. Raha ny fanazavan’ny vadiny, satria mbola maratra tsy mahateny ilay rangahy vadiny, dia vola 15 tapitrisa teo no voaangony tamin’izao vola lasan’ny jiolahy izao. Ho hita eo ny tohiny, fa tsy mbola nametraka fitoriana noho ny ratra nahazo azy ilay rangahy voatafika raha ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana. Tena ao anatin’ny tsy filaminana tanteraka i Toamasina tato ho ato izay, indrindra hatramin’ny nilazan’ny filoha fa tsy ao anaty fihibohana intsony i Toamasina. Mirongatra ny vaky trano, hala-botry, ny fanendahana, izay ny fokontany 138 eto Toamasina dia misy azy avokoa fa ny habetsany no tsy itoviany.
Malala Didier