Iray volana katroka taty aoriana no voasambotra avokoa ireo folo lahy, tompon’antoka tamina fanafihana tokantrano iray tao Ambararata, kaominina Amberomanga distrika Soavinandriana Itasy. Tsiahiviana fa vola manodidina ny dimy alina sy telo hetsy ariary no nidarohan’ireto olon-dratsy ireto ny tompon-trano ary tsy vitan’izay fa mbola nokapaina tamin’ny famaky ihany koa.
Ny alin’ny 11 jolay lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina no nidiran’ireto olon-dratsy ireto ny tokantrano iray tao amin’io toerana voalaza etsy ambony io. Tsy nihanona fotsiny tamin’ny fanafihana ny tranony anefa ny tompon-trano, fa niezaka hatramin’ny farany nanohitra ireto olon-dratsy, saingy tratry ny be noho ny vitsy nony avy eo. Izany fihetsika izany no nampiakatra ny tambavin’ireo jiolahy ka namonoan’izy ireo ireo telo mianaka tao an-trano tamin’ny alalan’ny vely kibay sy kapa famaky. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo zandary tany an-toerana, dia vola manodidina ny 350.000 ariary no lasa niaraka tamin’ireo akoho amam-borona, panneau solaire sy izay entana sarobidy tao amin’ity tokantrano ity. Marihana anefa, fa tamin’ny fifanandrinan’ireo olon-dratsy ireto sy ny tompon-trano dia nahavita nandratra ny roa tamin’ireo mpanafika iry voalohany.
Nanomboka teo ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Raha ny fantatra dia voalohandohan’ny volana teo no nisy ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ny zandary misahana ny raharaha. Voasambotra noho izany, araka ny vaovao hatrany ny roa lahy, izay isan’ireo nanafika tamin’io fotoana io ary naratra tao anatin’ilay fifandonana tamin’ny tompon-trano. Voalaza fa niaiky tanteraka ny heloka nataon’izy ireo nandritry ny fakàna am-bavany. Tamin’izany ihany koa no nanondroany ireo namany enin-dahy izay nanafika tamin’io fotoana io ary roa lahy izay samy mponina tao amin’ny kaominina Ankisabe sy Tamponala, niray tsikombakomba tamin’izy ireo tamin’ilay fanafihana. Nojokoina moramora foana izy valo lahy ambiny ireto taorian’izay. Mbola nisy ampahany tamin’ireo entana nangalariny tao amin’ilay tokantrano no hita ary efa naverina tamin’ny tompony. Izy folo lahy voasambotra ireto kosa, taorian’ny famotorana sy fakàna am-bavany dia natolotra ny Fampanoavana ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L