- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMarofototra-Maevatanàna : Ny olona maty, ny omby very

Marofototra-Maevatanàna : Ny olona maty, ny omby very

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana tany amin’ny tanàna antsoina hoe Marofotra, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, ny Alahdy lasa teo, tokony  ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Tokantrano iray no lasibatry ny asa ratsy tamin’io fotoana io. Ankoatry omby lasan-dry zalahy, dia voafira famaky teo amin’ny lohany ihany koa ny tompon-trano, ka maty tsy tra-drano. Jiolahy maromaro tsy voafaritra isa tsy nisy nanao saron-tava ary nitondra basim-borona sy zava-maranitra no tonga nanao ny asa ratsy teny amin’ny fokontany Marofotra. Nanao izay fomba nahafahana niditra tao anaty valan’omby sy ny tao an-trano ireo olon-dratsy vantany vao tonga. Tsy nisy nahita ny fidiran’izy ireo, fa niditra an-tsokosoko tao anaty vala sy trano ireo malaso. Taitra ny tompon-trano raha naheno ny fidirana tampoka tao an-trano, ka teo no nahavoafira famaky azy teo amin’ny lohany. Tampoka be tamin’izy ireo ny zava-niseho ka tsy afaka niaro tena ireto farany. Tsy nisy sahy namaly ihany koa, fa natahotra ny ainy ka voafehin’ireo jiolahy tanteraka ny fanafihana. Izao nahafatesana rangahy efa nahazo taona sy nahazon-dry zalahy omby izay mbola tsy voaray eto am-pelatananay moa ny isan’ireo omby very ireo. Efa nampandrenesina kosa ny miaramila mpampandry tany nanao ny fizahana ifoton’ny tany amin’ilay toerana voatafika, ny rahapitson’ny Alatsinainy indray izy ireo vao tonga tany an-toerana. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ireo dahalo hatramin’izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici